Hiatrika ny « Grand Slam de Tokyo », taranja Judo, any Japon, Rasoanaivo Razafy Laura, ny fiandohan’ ity volana desambra ity, tafiditra anatin’ny fanomanana ny « JO 2024 », atao any Paris. Efa nanainga teto an-tanindrazana izy ny talata teo. Ankoatra ny fifaninanana, hisy ihany koa ny fanazaran-tena iraisam-pirenena hatrehiny, hatramin’ny 16 desambra izao.
Hampiakarina ho 18 ny isan’ireo klioba mifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « Orange Pro League (OPL)”, taranja baolina kitra. Tsy misy, araka izany, ireo klioba hihintsana any amin’ ny diviziona faharoa. Tsiahivina fa ny fifanintsanana OPL, hanomboka ny volana janoary 2024.
Mbola ady mafy ny an’ny Paris Saint Germain (PSG) France amin’ny fifaninanana « Ligue des Champions (LDC)», taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 tamin’ny Newcastle, klioba anglisy ny PSG ny talata lasa teo. Mila mandresy ny ekipan’ny Dortmund, klioba Alemà, izy ireo raha tiany ny hanohy ny fifaninanana LDC.
Tafita any amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny fifaninanana Eoropeanina « Ligue des Champions 2024 (LDC) », ny ekipan’ny FC Barcelone, klioba espaniola. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipan’ny Porto FC, ekipa portiogey, ny talata alina lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Camp Nou, Espagne.