Fiara tsy mataho-dalana iray nifatratra tany anaty tanimbary tetsy Tsarasaotra, omaly atoandro. Avy nifaoka fiaran’olon-tsotra , nitsoaka nandositra io fiara io, nentin’ny mpamily. Nivarina tany an-tanimbary anefa izy rehefa nahazo ny lalam-baovao mampitohy an’Ivato sy Tsarasaotra. Tsy hita popoka ilay mpamily ny fiara.
Lehilahy mpivarotra rongony voasambotry ny polisin’ny STUP teny Ambohimarina Itaosy, omaly. Malaza ratsy amin’ny fanaparitahana zava-mahadomelina eny amin’iny faritra iny izy. Nidina tampoka nisafo teny an-toerana ny polisy ka nahatrarana fonosana rongony 93 tao amin’io lehilahy io.
Raim-pianakaviana niala sasatra maty voahitsaky ny kamiao tao Toamasina, omaly. Niaraka amin’ny ankohonany io lehilahy io ka nitaingina « cyclo-posy ». Nahazo lalan-dratsy anefa ilay posy nitondra azy efa-mianaka. Notetezin’ny kodiaran’ny kamiao nandalo ny lohan’
ilay raim-pianakaviana ka maty tsy tra-drano. Naratra ireo zaza telo niaraka taminy saingy tsy misy nahina ny ainy.
Natelin’ny ranomasina, maty namoy ny ainy ny zazalahy 10 taona, tao amin’ny village touristique Mahajanga, omaly. Niala tany amin’ny ray aman-dreniny io zazalahy io ka namonjy ny dadabeny. Nandeha nivarotra anefa ity farany ka nanararaotra nandeha namonjy ranomasina ilay zafikeliny. Nifamonjen’ny manodidina io zaza io rehefa natelin’ny rano saingy tsy tana intsony ny ainy.