Voaheloka ny handroso !

 

Migadona ny andro iray hanamarika ny tantaran’i Madagasikara. Hivoaka anio ny voka-pifidianana avy eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Didy tsy azo ivalozana. Izay tapaky ny mpitsara ambony eo dia tapaka. Nitohy mandraka ny omaly ny fandinihan’ny mpitsara ny fitarainana sy ny fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany.
Na inona na inona fanapahana mivoaka ho amin’ny anio. Mitohy sy hitohy ny fiainam-pirenena, izay tokony tsy hivaona amin’ny fampandrosoana. Mila asa azo tsapain-tanana ny vahoaka malagasy mba hahafahany mivelatra sy mitondra ny anjara birikiny. Tsy ho mpitazam-potsiny na mpiandry mahazo, fa mpisehatra fototra amin’ny fitondrana ny fandrosoana.
Tsara ho marihina fa tsy ny mpitondra irery no manana adidy iantsorohana ho an’ny tanindrazana. Manana andraikitra babena ao an-damosiny ho an’ny taninjanaka ny olom-pirenena isanisany. Anisan’ireny ny fanehoana na tsia ny safidy, saingy mbola goavana noho izany no miandry aorian’ny voka-pifidianana.
Dimy taona tsy maintsy hamadihana ny bainga mi­simisy kokoa hoenti-mamokatra ny fotoam-pitondrana manaraka ho an’ny Filoham-pirenena sy ny mpiara-miasa aminy. Tsy ambakan’izany ny an’ny sarambabem-bahoaka. Samy misikim-ponitra ny andaniny sy ny ankilany satria ny tongotra miara-mamindra sy ny soroka miara-milanja no hany antoky ny fahombiazana ho an’i Madagasikara.
Voaheloka ny tsy maintsy mahomby ny Malagasy tsivakivolo na ny eto an-toerana na ny any ivelany aza. Tsy afaka ny havela ho irery, hizaka ny tsy eran’ny aina ny firenena sy ny mponina ao aminy. Tsy maintsy mitafy herim-po ny tsirairay. Tsy hihanona amin’ny tombontsoa manokany fa hanome vahana ny tombontsoan’ny besinimaro izay tsy voatery ho tombontsoa iombonana.

r.r

Partager sur: