Tsy mitombina sy tsy azo raisina ny voka-pifidianana havoakan’ny HCC, anio, araka ny fanambaran’ny Vondron’ny kandidà 11. Miantso ny hery rehetra eto amin’ny firenena izy ireo hisokatra sy hiaraka hanohy ny tolona. Tsy ho ela intsony izany.
Hanomboka anio ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale). Hifarana amin’ny tapaky ny volana mey 2024 izany. Nambaran’ny Ceni fa fifidianana roa no hotanterahina amin’ny taona ho avy: ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsaina sy ny depiote.
Hanao famelabelaran-kevitra ao Paris ireo Diaspora, rahampitso. Anisan’ny hitondran’izy ireo fanazavana amin’izany ireo porofo manoloana ny ambaran’izy ireo fa hosoka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo iny. Tsipahin’izy ireo tanteraka ny voka-pifidianana.
Anisan’ny miatrika ny fihaonambe any Dubaï, momba ny fiovaovan’ny toetr’andro ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rabemananjara Nicolas sy ireo depiote miisa efatra. Vonona hiady amin’izany i Madagasikara, araka ny nambaran’izy ireo.