Governoran’Analamanga-OIF : sefo fokontany 200 hofanina momba ny sora-piankohonana

Miainga eny amin’ny fokontany ny fanentanana ny reny hanoratra haingana ny zanany vao teraka eny amin’ny kaominina mba hisitraka kopia. Nofanina hahafantatra ny andraikiny ireo sefo fokontany 200..

Nosantarina teny amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, kaominina Ankadikely Ilafy ny fampiofanana ireo sefo fokontany mahakasika ny sora-piankohonana. Ireo sefo fokontany ireo no hivoy ny karazana fanentanana ahafahan’ny reny mitondra vohoka miteraka any amin’ny tobim-pahasalamana. Manamora ny fahazoana ny taratasy fanambaram-pahaterahana entina eny amin’ny kaominina izany. Ao anatin’ny 30 andro aorian’ny nahaterahana no ahafahana manoratra ny zaza ara-dalàna ka hisitrahany kopia voalohany.
Nilaza ny gover­no ran’A­nala­manga mpisolo toerana, Ratsiharovala Ra­mesy mbola, fa sefo fokontany 200 no hisitraka ny fiofanana manerana ireo distrika 4 iompanan’ny tetikasa iarahana amin’ny OIF. Mahatratra 17 400 ireo ankizy latsaky ny 18 taona hizarana ny kopia faobe amin’ireo distrika ireo (Anjo­zorobe, Avaradrano, Manjak­andriana, Ambohidratrimo). Be mponina sady ambany ny taham-panoratana zaza teraka ka notsogaina manokana izy ireo.
Nanamafy ny lehiben’ny distrikan’Avaradrano, Ramiandrisoa Mahefa, fa efa ela no tsy nisy fifidianana sefo fokontany eto Madagasikara ka mila havaozina ny fahala­lan’izy ireo ny karazana didy aman-dalàna amin’ny andraikitra tandrify azy. Anisan’izany ny mahakasika ny sora-piankohonana.
Hatramin’ny taona 2020 ny fiaraha-miasan’ny OIF sy ny governoran’Analamanga momba izany. Tamin’izany no nahitana fa miainga eny ifotony ny olana ka izay no anton’ ny fampiofanina ireo lehiben’ ny fokontany.
Nisongadina ny ezaka sa­tria nitombo ny zaza afaka niditra an-tsekoly taorian’izany, maro ihany koa ireo afaka nanao karapanondro.

Tatiana A

Partager sur: