Sehatrasa maro : hatao manaraka ny fenitra

Notanterahina omaly, tetsy Ampefiloha, ny atrikasa ho amin’ny fampanaraham-penitra ireo tanora mpisehatra amin’ ny asa tanana. Nitarika izany ny komity (Copil), ahitana ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanofanana arakasa sy ny minisiteran’ny Asa tanana ary ny avy amin’ny Tahiry ho an’ny fanofanana (FMFP). Tanjona ny hametrahana rafitra ho amin’ny fanofanana ireo tanora, hisehatra hanaraka ny fenitra eo amin’ny sehatrasa ataon’izy ireo. Ny fanofanana azy ireo eo amin’ny fahaiza-manao, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra.
Anisan’ny mamatsy vola izany ny avy amin’ny FMFP ho amin’ny fanatanterahana ireo dingana samihafa amin’ity tetikasa hatao filamatra ity. Noraisina ho ohatra amin’izany fampanaraham-penitra ny famonoana omby, avadika hena na koa ny tontolon’ny voninkazo. “Laharam-pahamehana avokoa ireo sehatrasa rehetra tsy nanaraka ny fenitra teo aloha mba ho ara-dalàna”, hoy izy ireo. Harindra avokoa izany rehetra izany ary hojerena ireo sehatrasa miisa 60 amin’ireo 164, araka ny fivoriana, natao tany Bénin.

Synèse R.

Partager sur: