INPF Ivato: mpianatra 200 nahavita fianarana nisalotra ny andiany Amboara

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny Ivato, omaly, ireo mpianatra 200 mahery nahavita fianarana ka nahazo diplaoma tao amin’ny INPF.

Avy amin’ny sampam-piofanana 7 samihafa ireo tanora 200 mahery nahazo diplaoma tao amin’ny INPF. Fikojakojana fiara, fikirakirana ny informatika amina orinasa lehibe, ny fitantanam-bola, ny fikojakojana ny milina vaventy any amina orinasa, ny fanamboarana ireo karazana fitaovana fampangatsiahana, varotra iraisam-pirenena…
Nankasitraka ny ezaky ny mpianatra ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Vavitsara Rahantanirina. Nisongadina ny fahitana fa tovovavy no sangany tamin’ny fiofanana fikojakojana fiarakodia. Betsaka ihany koa ireo vehivavy mendrika tamin’ireo andiany.
Miezaka amin’ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ampiasaina amin’ny toerana fianarana sy fampiofanana arakasa ny minisitera. Tanjona ny hampiakatra ny lentan’ny fahaizan’ny mpianatra. Manaporofo izany ny vokatra dia ny fahitan’ireo tanora asa avy hatrany rehefa mahavita fianarana.
Ezahina hifanaraka amin’ny filan’ny asa sy ny vanim-potoana ankehitriny eto Madagasikara no vokarin’ireo sekoly mpanofana arakasa. Natao hamaly ny sehatra isam-paritra ihany koa mba tena hitondra vokatra mivantana sy haingana araka ny fanazavan’ny minisitra hatrany.
Anisan’ny malalaka ankehitriny ny fanofanana misehatra amin’ny digitalisation sy ny niomerika, ny famokarana angovo azo avaozina sy ny toekarena manga. Ho an’ny eto an-drenivohitra, mbola mahaliana ny tanora ny sehatry ny zaitra sy ny ara-barotra.
Nanamarika ny talen’ny INPF Ivato, fa hankalaza ny faha-50 taonany ivontoeram-panofanana amin’ny taona ho avy. Toeram-piofanana manana ny maha izy azy ny INPF ary mamokatra manam-pahaizana mitondra fampandrosoana eto amin’ny firenena.

Tatiana A

Partager sur: