Fiaraha-miasa : tetikasa roa hampandrosoana ny toekarena

Natao hampandrosoana ny toekarena sy ny sosialin’ny firenena malagasy ny tetikasa AMRP sy ARCEB, niarahan’ny governemanta Malagasy sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Ani­san’ny zava-bitan’ny tetikasa ny fanadihadiana izay nanome soritra ny mety hanakarana ny tahan’ny tsindrin-ketra amin’ny alalan’ny fanakarana ny vola miditra ho an’ny fanjakana. Ao ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra. Tafiditra ao anatin’izany ny fifanakalozana amin’ireo firenena hafa amin’ny fandrafetana ny politika ankapoben’ny firenena mahakasika ny angovo sy ny toekarena manga. Ankoatra izay, nisy ny fampiofanana ho an’ireo mpisehatra maro eo anivon’ny fanjakana ho an’ny fanatsarana ny asa ataony fa indrindra amin’ny fanatanterahana ireo fanavaozana voarakitra ao anatin’ny drafitry ny fampandrosoana ny firenena. Natolotra ny alakamisy teo ny zava-bitan’ireo tetikasa niarahany tamin’ny firenena malagasy sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Marihina fa entina hampiroboroboana ny hetra ny tetikasa AMRP raha toa ka hanamafisana ireo sehatrasa mandalo fahasahirana sy ny toekarena manga kosa ny ARCEB.

Henintsoa H.

Partager sur: