Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis avokoa ny sain’ny rehetra amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra eo mantsy ireo ekipa 4 hiatrika ny lalao manasa-dalana hiadina ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby.
Hotanterahina etsy amin’ ny kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso alahady 3 desambra, ny lalao ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Anisan’ ny fihaonana andrasan’ny rehetra, ny fifandonan’ny TFMA sy ny Cosfa. Hanohitra an-dry zareo Bebaoty amin’ity ny Boaikely manohitra. Hiendrika famaranana kely mihitsy ny donan’ny roa tonta.
Raha ara-taratasy aloha, ambony ny Bebaoty. Laharana faharoa, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena mantsy izy ireo. Etsy ankilany ao anaty tanjany tanteraka ry zareo TFMA amin’izao fotoana izao. Samy manana ny fomba filalaony ny roa tonta. Ny Cosfa, matanjaka ao anaty “avant”. Ny Boaikely manohitra indray manafangaro ny “jeu d’avant” sy ny “trois quart aile”. Heverina fa ho resy izay tsy mitandrina amin’ity.
Ankoatra izay, hifampitady ny 3FB Fahasalamana sy ny Tam Anosibe. Ekipa diso mifankahalala tsara. Hanala vela amin’ity ry zareo Anosibe. Ankoatra izay, fihaonana hiavaka ihany koa ny fifanandrinan’ny USA Ankadifotsy (Maitso kely) sy ny FTM Manjakaray (Dakar). Ny Manjakaray, tompondakan’i Madagasikara ary manana herijika handresy noho ny traikefa ananan’ireo mpilalaony. Tsy mbola manaiky izany anefa Ankady fa hiady hatramin’ny farany.
Hanokatra ny lalao amin’ ity ampahefa-dalana ity, ny an’ny Uscar sy ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Nifandimbiasana ny fahazoana fandresena teo amin’ny roa tonta, ka ho sarotra ny hamaritra izay handresy amin’ity. Hangorom-damba eto izay tsy mitandrina sy manao fahadisoana. Irarin’ ny rehetra mba ho mpitsara maharaka sy mahafehy tsara ny fihaonana no hitantana ny lalao rehetra.
Tompondaka