tournoi d’Antananarivo : hanomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, manomboka anio sy rahampitso, ny fifaninanana “Grand tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny ligin’Analamanga, mpikarakara ny fifaninanana dia hisy lalao enina eo eny an-toerana amin’ity faran’ ny herinandro ity. Marihina fa miisa 16 ireo klioba mandray anjara amin’ity fifanintsanana ity. Mahatratra fito ireo ekipa mifaninana amin’ny “Orange Pro League (OPL)”, anatin’izany. Anisan’izany ny Mama FC, Cosfa, Jet Kintana, CFFA, Elgeco Plus, Ajesaia, Disciples FC. Marihina fa natao hanomanan’ ireo klioba mifaninanana amin’ny OPL, ny taom-pilalaovana 2023-2024, ity lalao ity.
Ankoatra izay, hotolorana lelavola 20 tapitrisa Ariary izay voahosotra ho tompondaka amin’ity fifanintsanana ity.

Ny fandaharan-dalao amin’ity farany herinandro ity :

Kianja Ambohidratrimo :
Sabotsy 2 desambra 2023
10 ora 30 : Cosfa vs Us pro
12 ora 30 : Elgeco Plus vs Disciples ESP
2 ora 30 : CFFA vs TOULON AC
Alahady 3 desambra 2023
10 ora 30 : Net Foot vs AS Spartiates
12 ora 30 : As Sainte ANNE vs Disciples FC OPL
14h30 : Fc Rouge vs Ajesaia OPL

Partager sur: