Judo-“Grand Slam” : Nihaona tamin’ny Sensei Ku Akirakai, Rasoanaivo Laura

Niatrika ny fifaninanana “Grand Slam de Tokyo” tany Japon, ny faran’ny herinandro teo, Rasoanaivo Razafy Laura. Teo amin’ny sokajy -70 kg, Senior no nifaninanany. Raha hiverenana ny vokatra, niady tamin’ilay Judokas Grika, laharana fahefatra maneran-tany, ity Malagasy mpikatroka ity. Noho ny traikefa efa ananan’ny mpifanandrina taminy, resy Rasoanaivo Laura. Nambarany fa avo lenta ny fifaninanana ary nahatsapany fa misy haavo teknika hafa mihitsy tamin’ity “Grand Slam de Tokyo” ity. Vaovao lehibe voaray avy any Japon ihany koa ny fihaonan’i Laura tamin’ny Sensei kalaza iray anisan’ny fantatra maneran-tany eo amin’ny tontolon’ny Judo, tsy iza izany fa ny Sensei Ku Akirakai, 8e Dan. Teo ihany koa ny Sensei Ryygo Ide. Efa nampanao fiofanana teto Madagasikara ireo Olobe amin’ny taranja Judo ireo. Ankoatra ny “Grand Slam”, miatrika fanazaran-tena iraisam-pirenena hatramin’ny 16 desambra any Japon ihany koa, Rasoanaivo Razafy Laura.

Mi.Raz

Partager sur: