Rugby – Amboaran’i Madagasikara: resin’ny Uscar tamin’ny moka fohy ny TFA Anatihazo

Nahavory olona maro ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara natao teny Andohatapenaka omaly. Tsy napoizin’ny rehetra teny an-toerana ny voka-dalao.

Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ireo la­lao ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madaga­sikara, ta­ranja rugby. Nivoaka sempotra vao afaka ny Uscar, nanoloana ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Nisaraka, Tamin’ny isa tery, 28 no ho 26 ny roa tonta. Niady ary nampitsanga-mitoetra ireo mpijery tonga maro, hatrany am-boalohany ka hatramin’ny segondra farany ny fihaonana.
Nifandimbiasana ny nitarika ny isa teny amin’ny solaitrabe. Samy nahatonga baolina nentin-tanana ny andaniny sy ny ankilany. Nampiasa ny lalao mahazatra azy hatrany ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, tamin’ny alalan’ny « pack d’avant », nahitana an-dry Bosco sy ry Toussaint. Nampiasa ny fahaizany mitsara baolina ihany koa Dadatoa sy i Zo. Tetsy ankilany, nampiaraka ny «jeu d’avant» sy ny «trois quart aile» ny Pilo kely, notarihin-dry Mainty sy i Babany niaraka tamin’i Be sy i Babany. 13 no ho 13 ny isa nentin’ny roa tonta, niala sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, samy nahafaty «hors jeu» hatrany ny roa tonta. Iray minitra tsy hiravana, nitarika tamin’ny isa 26 no ho 25 ny TFA, saingy nahazo «hors jeu» ny Uscar, izay voatsaran’i Dadatoa ka nahalavo an’Anatihazo.
Manohy ny diany ihany koa ny FTM Manjakaray, rehefa nanilika ny USA Ankadifotsy tamin’ny isa, 52 no ho 16. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Manjakaray indray izany teto ry zareo tapany maitso.
Tafita amin’ny ankatoky ny famaranana koa ny Tam Anosibe, rehefa nanilika ny 3FB, tamin’ny isa, 26 no ho 24. Toy izany ihany koa ny Cosfa (Bebaoty), raha nandavo ny TFMA Ankasina. Nisaraka tamin’ny isa, 46 no ho 15 ny roa tonta. Taorian’io fantatra ny manasa-dalana rehefa natao ny antsapaka. Ny Cosfa hihaona amin’ny FTM Manjakaray, ary ny Tam hifanandrina amin’ny Uscar.

Tompondaka

Partager sur: