Napetraka ny komity mpitantana : ampanarahana fenitra ny fianarana asa eto Madagasikara

Maro ny tanora no misafidy ny hirotsaka amin’ny fianarana asa avy hatrany ahafahana manana foto-pivelomana maharitra. Vitsy anefa ireo toeram-panofanana no manana rafitra ara-dalàna.

Notanterahina ny herinandro lasa teo, tao amin’ny minisiteran’ny fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakasa, ny fivoriana voalohany natrehin’ny komity mpitantana ny fiana­rana asa.
Komity mampivondrona ny minisiteran’ny fampianarana Teknika sy ny fanofanana arakasa, ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao, ny Von­dron’ny mpandraharaha (GEM), ny fivondronan’ny mpandraharaha (FIVMPAMA), ny Federa­sion’ny antenimieran’ny varotra eto Madagasikara ary ny Tahirim-bola malagasy ho an’ny Fampiofanana arakasa (FMFP).
Niorina tamin’ny 20 jolay lasa teo ny komity ary tanjony ny hametraka rafitra fianarana asa manara-penitra eto Mada­gasikara. Eto Madagasikara, amin’ireo asa 164 voarakitra ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny asa tanana, manodidina ny 30 eo ho eo ihany no manana rafitra fanofanana ara-dalàna, ny ambiny kosa vokatry ny fampiharana avy hatrany.
Hovatsian’ny FMFP vola ny tetikasa amin’ny alalan’ny Agence française de développement (AFD) sy ny Vondrona eoropeanina (UE). Ny dingana voalohany amin’ny tetikasa dia ny fanatanterahana fandalinana momba ny fianarana asa eto Madagasikara nanomboka ny volana novambra lasa teo ka hatramin’ny janoary 2024. Ny tale jeneralin’ny tahirim-bolan’ny fampiofanana arakasa ao Bénin, Moussa Yacoubou, no hanatontosa ny fandalinana.
Amin’ny fiafaran’ity fandalinana ity, sehatrasa telo no hofantenana ho modely amin’ity dingana fananganana ity: fampandrosoana ny mari-pamantarana, torolalana ho an’ny mpampiofana sy mpiofana, fanaovana tombana ary fanamarinana.

Vonjy A.

Partager sur: