Vonjeo ny tantsaha !

 

Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny andavanandron’ny mponina. Mifanindran-dalana amin’izany koa anefa ny tsy fandriampahalemana. Tena mihorohoro ny mponina amin’izay rehetra aleha. Tena mila vonjy ny any ambanivohitra. Mikaikaika amin’ny hafitsoky ny dahalo. Tsy ny malaso mirongo fitaovam-piadiana ihany fa hatramin’ny dahalo ambony latabatra.
Zary tsy matoky intsony ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fitandroana filaminana ny tantsaha any ambany ravinahitra. Tsy manana olona azo ianteherana intsony na itarainana amin’izay manjo. Mafy ny mianjady amin’ny vahoaka madinika satria atody miady amam-bato. Ny olon-dratsy izay manana fitaovam-piadiana mahery vaika sy tsy azo sangina. Ny mpitandro filaminana, ahina ho mpiray tendro amin’ny dahalo ny sasany.
Bibilava sinambotr’ankizy ny Malagasy. Tsy manan-tanana handrangotra sy tongotra hanipatsipaka ny fahavalo. Tsy maintsy miaritra ny tian-kano sy ny tsy tian-kano. Miverina ny fandriana alina any an-tsaha. Zary voafetra ny fotoana ahafahana mamokatra. Indroa mahita ny maizina ny tantsaha mandra-pahatapitry ny fotoan’ny maitsoahitra. Ny fananana noharina ravaravain’ny mpanafika sy ny mpaka an-keriny. Ny voly eny an-tsaha tsy haharaka intsony ny filàna.
Anisan’ny lokalokan’ny filoham-pirenena vao lany ny ady amin’ny kolikoly. Veliranony voalohany ny fandriampahalemana. Zava-dehibe tsy azo tsinontsinoavina izany. Heverina fa hitondra tsirim-panantenana amin’ny ho avy. Mampiavaka ny filoha Rajoelina Andry rahateo ny famerimberenany fa tsy mpanao kobaka am-bava izy, manatanteraka izay nolazainy.
Andrasana, araka izany, ny fampiharana ny lalàna sy ny fametrahana paikady mahomby hamongorana ny tsy fandriampahalemana, fositra tsy mampandroso. Teny filamany rahateo ny hoe « Madagasikara tsy maintsy mandroso ».

r.r

Partager sur: