Lakandrano Vallée de l’Est : manakana ny fikorianan’ny rano ny plastika

Manadio ny lakandrano Vallée de l’Est ny Apipa na­nomboka tamin’ity herinandro ity. Lakandrano mampitohy an’Andravoahangy amin’ny farihin’i Masay izy io. Hita sy voaporofo fa ny fako plastika sy ny fotaka no tena manentsina ny lakandrano. Mana­kana tanteraka ny fikorianan’ny rano izany.
Manampy betsaka amin’ny fikorianan’ny rano avy any Ankatso, Ampandrana, Besa­rety sy Andravoahangy io lakandrano Vallée de l’Est io. Hiatrehana indrindra ny foto­am-pahavaratra eto Antana­narivo Renivohitra no anton’ny fanadiovana.
Haharitra 10 andro ny asa. Nampiasa fitaovana raitra toy ny pelle mécanique, camion benne roa ary mpiasa miisa 12 ny Apipa hahalavorary ny asa fanadiovana. Mirefy 400m ny halavan’ny lakandrano diovina. Maherin’ny 260m3 kosa ny fako efa noloarana sy naterina eny Andralanitra.
Miverina amin’ny fanadiovana sy fanaraha-maso tsy ankiato eo ny ekipan’ny Apipa mba tsy hiverenan’ny lotobe intsony. Marihina fa ny lakandrano mivarina amin’io dia anjaran’ny kaominina no mikoja azy.
Mila fahatongavan-tsain’ny rehetra ny zava-mitranga sa­tria olona no manary ireny fako any anaty tatatra lehibe ireny.

Tsiahivina fa efa nisy ny fanadiovana ny farihin’i Ma­say. Farihy anisan’ny manangona rano sy ahitana tsikafona be indrindra eo an-toerana saingy efa nodiovina izany.

Tatiana A

Partager sur: