Fikarohana: tsy mipaka any amin’ny vahoaka ny ankamaroany

Nanatanteraka atrikasa tetsy Anosy ireo fivondronamben’ny Mpikaroka eto Madagasikara, afakomaly. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa «Projet de préparation aux pandémies et renforcement des services essentielles de santé de base», izany. Nan­draisan’ny minisitera efatra anjara ka tanatin’izany, ny Fampi­anarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny atrikasa.
Tsy mbola tena mifankahalala ny mpikaroka sy ny fikarohana misy eto amin’ny Nosy. « Betsaka ny voka-pikarohana fa tsy ampiasaina ary tsy tena mipaka any amin’ny vahoaka loatra noho ny antony samihafa », hoy ny professeur sady talen’ny Cnarp, Rakotosaona Rianasoambolanoro. Tsy antony avy amin’ireo mpikaroka irery fa eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-dalana isan-karazany koa izany. « Mbola variana amin’ny filàna fototra, ilaina amin’ny andavanandro (anatiny ny sakafo) ny ankamaroan’ny Malagasy », hoy izy. Efa any amin’ny filàna faharoa ny fikarohana, raha ny zava-misy eto amin’ny firenena. Nilaza izy fa tsy liana sy tsy taitra loatra amin’ny fikarohana ny mponina satria maharitra fotoana ela vao mivaly izany. Anisan’ny ady lehibe ataon’ny mpikaroka ny fanomezan-danja ny voka-pikarohana nataon’izy ireo.

Mino

Partager sur: