Nahazo fanomezana avy amin’ny fikambanana tsy miankina iray mikirakira ny tontolon’ny informatika, Malagasy Fanantenana Teknolojia (MFT.MG), ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN). Anisan’ireo nisitraka ny fitaovana informatika ny akany fitaizana ireo zaza kambotin’ny Tafika eny Antsahasoa Pagode. Nahazo ny anjarany koa ny ivontoeram-pampianarana tenim-pirenena. Tsy diso anjara ny ivontoerana miandraikitra ny fiahiana ara-pahasalamana.
Manampy amin’ny fanatanterahana ireo fanamby apetraka ho an’ny fampandrosoana, ny fampiasana ireo fitaovana mifanaraka amin’ny teknolojia vaovao. Izany indrindra no antony nisin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta sy nanoloran’izy ireo solosaina hampiasaina amin’ny fampivoarana ireo sehatra voalaza ireo, araka ny fanazavan’ny Sekretera jeneralin’ny (SG) MDN, ny Jly Ramasy Razafindratovo Heritiana. Nankasitraka ny fikambanana MFT.MG ity manamboninahitra ity amin’izao fampitaovana izao. Nambarany fa zava-dehibe amin’izao vaninandro iainantsika izao ny fahaiza-mikirakira ireo fitaovana avolenta sady taratry ny fahombiazan’ny governemanta rahateo koa ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana tsy miankina toy izao, araka ny nambarany hatrany.
Jean Claude