Naiditra am-ponja vonjimaika, ny alatsinainy teo, ilay lehilahy mpisoloky olona milaza fa afaka mandefa hiasa atsy amin’ny Nosy Maorisy. Efa nahazo vola hatramin’ny 24 tapitrisa Ar izy tamin’io asa ratsiny io.
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsarana azy ilay mpisoloky gagilahy nahazo hatramin’ny 24 tapitrisa Ar. Voasambotry ny polisy, ny alahady teo izy rehefa nifampitadiavana, ireo namany hafa kosa mbola karohina amin’izao.
Tamin’ity indray mitoraka ity, vehivavy iray efa voasoloky no tojo namana ka nanome soso-kevitra azy hanatona ity tambajotra ity. Resy lahatra izy ka nihaona tamin’ny tomponandraikitr’ilay asa mihitsy. Nahatoky marina ilay ramatoa, saingy mitady olona hatrany amin’ny 12 isa ilay tambajotra amin’ny fandehanana voalohany, nifanaiky ny roa tonta. Araka izany, niresaka tamin-drangahy vadiny momba ity toe-javatra ity ilay vehivavy. Ary nitady olona maromaro hanatevina ny isa izy mivady. Vokany, saika ireo mpiray fiaviana tamin’izy ireo any amin’ny faritra Sava avokoa ireo olona hita. Ireo olona ireo rahateo efa nitady asa hivoaka any ivelany ka dia resy lahatra tamin’ny tolotra. Ambadik’izay, nampandoavina vola eo amin’ny 2 tapitrisa Ar tsirairay ireo olona vonona hiasa. Ireo mpikarakara izany eto an-drenivohitra kosa no nampiantrano ireo olona ireo mandra-piandry ny fahavitan’ny pasipaoro sy ireo antontan-taratsy rehetra.
Voafitaka
Tokony hanainga ny faran’ny volana oktobra teo ireo olona maro hiasa atsy Maorisy, saingy nihemotra hatrany ny dia. Tezitra noho izany ny efatra tamin’ireo efa nandoa vola ka voatery nosoloin’izy mivady ny volan’izy ireo. Taty aoriana, narirariran’ireo mpikarakara ireo olona nahazoany vola ka nitory teny amin’ny polisy ny sasany. Nisokatra ny fanadihadiana, fantatra tamin’izay fa any Maorisy ny iray tamin’ireo tomponandraikitra. Voalaza fa hanomana ny fandraisana ireo olona ny anton-diany amin’izany. Ankoatra izay, nifindra trano ny iray tamin’ireo mpisoloky vantany vao nahafantatra fa nisy nitory izy. Noentiny nanaraka azy tamin’izay koa ireo izay mbola nahatoky azy.Tratra ihany anefa ity jiolahy, voamarina ihany koa fa tsy misy ilay asa nampanantenaina. Tsy nisy ihany koa ireo antontan-taratasy nokarakaraina. Ireo vola 24 tapitrisa Ar kosa nikarakarana ny fandehanan’ny iray tamin’ ireo jiolahy any Maorisy. Ny ambiny nifampizarana sy nampiasain’ity tambajotra ity.
Henintsoa Hani