Ambetitenin’ny Malagasy tsivakivolo ny hoe tsy handroso intsony, rahoviana vao handroso…Tonga hatrany amin’ny sangisangy zary tenany hoe ” fohazy Aho rehefa mandroso”, oha-pitenenan’ny amiraly Ratsiraka Didier. Mba atao sanatrian-dresaka ve? Sanatrian’ny vava ladian’ ny lela. Tsy misy voaozona tahaka izany fa misy foana ny fanantenana.
Fanantenana arahim-pinoana sy ezaka anefa fa tsy atao tsianjery maimbo. Tsy hiandrasana mpitondra fa tsy maintsy miainga any an-tokantrano. Ahoana tokoa moa re no handrosoana raha milomano anaty havoretrana ohatra ny mpianakavy? Miaina amin’ny fisainana maloto sy vetaveta fanahy.
Tsy handroso sy tsy afaka hampandroso isika raha mbola foto-pisainana lo amin’ny fitiavan-tena sy kolikoly no enti-miaina. Lany andro amin’ny famezivezena ireo mpiray tanindrazana ny mpiasam-panjakana te haka vola. Mihena ny taham-pamokarana noho ny fotoana very sy ny fikorontanan-tsaina. Manginy fotsiny ny lonilony sy ny fifampiandrasana kendrin-tohina. Antony mahatonga ny toekarena mikatso ka mamorika ny sosialy izany.
Mila fandalinana lalina ny avy amin’ny tsirairay. Manova vao afaka mandroso! Tsy misy olona mivoatra anatin’ny havoretrana toe-tsaina. Mazava ny zava-misy ankehitriny… Mahantra satria tia maloto Ramalagasy.
r.r