Tsy vitsy amin’izao fotoana izao ny olona mitaraina fa tratran’ny « spasmofilia » ka sahirana miatrika ny andavanandrom-piainany amin’ny asa sy ny fivelomana ary ny fahasalamana amin’ny ankapobeny. Mitondra fanazavana momba ity toe-tena ity ny dokotera manam-pahazaina manokana momba ny fahasalaman’ny saina (psychiatre), Razafindralambo Kiady Rivo, misehatra eny amin’ ny hopitalim-panjakana.
Gazety Taratra (*): Inona no tena mahadika ny spasmofilia?
Razafindralambo (-): Teny tsy ampiasaina intsony ny “spasmofilia” efa tranainy satria tsy manazava na inona na inona. “Hystérie” na “trouble de conversion” no fiantso azy amin’izao fotoana izao ary mbola mikaroka ny fandraisana an-tanana sy ny fitsaboana mifanaraka amin’izay ny mpitsabo hatramin’izao taonjato faha-21 izao.
*Ahoana kosa ny fisehony amin’ny olona iray?
– “Trouble de conversion” midika fikorontanana miseho amin’ ny endrika ivelany maneho fijaliana na fahaketrahana anaty. Ambalavelona koa no ahafantaran’ny maro azy eto amintsika rehefa mahakasika vondron’olona. Fihetseham-po tsy voafehin’ ny atidoha ka mitarika fihetsiky ny vatana, ohatra, torana ilay olona na koa manao tahaka ny fisehoan’ny olona mifanintona. Rehefa manao fitarafana sy fitiliana samihafa anefa ilay olona tratrany tsy misy soritraretina mahazo azy mihitsy.
*Inona ny tranga tokony hanaitra ilay olona fa mety tratran’ny “trouble de conversion?
– Matetika rehefa misy fihetseham-po, torana na koa mety mifanintona. Indraindray misy tranga hafa miseho ety ivelany amin’ny fihitsanam-bolo, areti-koditra. Marary avokoa ny hozatra sy ny nofo amin’ny vatan’ ilay olona, marary lamosina. Manodidina ilay fotoana hisehoan’ny tranga ety ivelany dia nialohavan’ny fampiasaina saina be loatra, na koa misy alahelo na hafaliana izay fihetseham-po tsy voafehy loatra. Tsy fanahinian’ilay olona ny tranga satria fikorontanana tsy voafehy.
*Misy fandraisana an-tanana azo atao ve?
-Tsy voafehin’ny fitsaboana ankapobeny fa “psychiatre” sy “psychologue” no tokony hatoniny raha vao miseho ny tranga. Ampiana ilay olona tratrany tsy hiverimberina ilay fisehoana ka handany hery. Atoro azy ny fampiasana teknika hifehezana ilay tebiteby sy ny rarintsaina. Azo alamina izany satria ilay toe-tena mandrafitra ilay maha izy ny olona iray (personnalité) no mitondra azy. Ilay olona ihany dia afaka mahafehy azy miaraka amin’ilay teknika. Mandritra ny adolantsento no miseho voalohany ilay tranga ary mety mihena ny fisehony rehefa miha lehibe satria miova ny “personnalité”-ny. Rehefa misy fikorontanana goavana, tsy maintsy mila fandraisana an-tanana.
*Iza no maro anisa hisehoan’ny “trouble de conversion” tonga manatona?
– Raha tarafina amin’ny olona tonga manatona, ny vehivavy no betsaka. Mandray olona iray na roa isan-kerinandro ny tenako mampiseho ity fikorontanana ity. 0,4% hatramin’ny 3% amin’ ny olona maneran-tany no tratrany fa tsy manana antontanisa mazava ny eto Madagasikara.
Vonjy A.