Mpikaroka fito no nampiakarina amin’ny laharana maha talem-pikarohana, 10 kosa amin’ny laharana talem-pikarohana miara-miasa, araka ny didim-panjakana navoakan’ny filankevitry ny minisitra.
Noraisina tamin’ny fomba ofisialy teny Ivandry izy ireo, tamin’ity herinandro ity. Nitondra ny teny fiarahabana ho azy ireo avy amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Profesora Assoumacou Elia Béatrice, nandritra ny lanonana, ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Profersora Salava Julien. Anisan’ny fitakiana nataon’ny mpampianatra mpikaroka, sampana Antananarivo, ny fiakarana “grade” tahaka izao ho fanomezana lanja ny asany.
Nivoaka tamin’ny filankevitry governemanta ny 29 novambra lasa teo ny fampitoviana lenta ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra amin’ny fisalorana “toges universitaires”.
Vonjy A.