Fahazarana ho an’ny isan-tokantrano ny manangana hazonoely raha vao miandoha ny volana desambra. Efa mandrakotra ny tsena ny akora fandravahana amin’ny vidiny sy ny kalitao mampiavaka azy.
Vao niantomboka ny volana desambra, namoaka ny entana fandravahana ny hazonoely samihafa ny mpivarotra eto an-drenivohitra, indrindra amin’ireo tsena be mpanjifa : Tsaralalàna, Analakely, Behoririka…3 700 Ar ny hazonoely kelikely hatramin’ny 150 000 Ar ny tena lehibe, arakaraka ny endriny sy ny akora nanaovana azy ny vidiny. Ankoatra ny eny amin’ny mpivarotra anaty magazay, misy ny entin’ny mpivarotra mandehandeha eny an-dalana rehetra eny. Mila mailo fa tsy vitsy ny be fanombana amin’ny vidiny. Ho an’ny fanaingoana, 6 000 Ar ny “boules” mangirana enina ary 12 000 Ar ireo lehibe, toy izany koa ny lakolosy sy ny sarin’ny dadabenoely vita amin’ny plastika.
Ho an’ny jiro fandravahana kosa, 20 000 Ar ny 15m, 60 000 Ar ireo manana endrika hafakely toy ny voninkazo madinika amin’ny lokony samihafa. Misy kazarana hazonoely efa mirehitra avy hatrany, 100 000 Ar ny vidiny.
Maro isafidianana ny kilalao
Efa tonga koa ny kilalao natokana ho an’ny taona rehetra, na lahy na vavy. Nosokajiana arakaraka ny taona ny nampirantiana azy eny amin’ny tranombarotra. 5 000 Ar ka hatramin’ny 400 000 Ar ny fiarakely tena mandeha ho an’ny ankizilahy ary 5 000 Ar ny fitaovana fanaovana tsikonina ho an’ny ankizivavy ary mahatratra 200 000 Ar ny kojakojan-dakozia miaraka amin’ny fatana kely. Variana ny mason’ny mpividy fa ny hoenti-manana no mamaritra ny safidin’ny tsirairay. Tsy afaka nanomana volabe koa ho an’ny fandravahana sy ny kilalao satria mbola eo ny sakafo hatao miavaka amin’ny andavanandro. Ireo renim-pianakaviana mbola manana kilonga madinika no hita mifanaretsaka eny manararaotra ny fanombohan’ny tsena.
Vonjy A.