Naharitra 3 herinandro ny atrikasa fametrahana ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo ho amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ary ny fampiofanana azy ireo. Natao tany amin’ireo faritra efatra notsongaina manokana noho izy ireo voasokajy ho faritra atahorana ny fiofanana. Anisan’izany ny tany amin’ny faritra Anosy, Boeny, Analanjirofo ary Atsinanana.
Tanora mpilatsaka an-tsitrapo miisa 108 , avy amin’ireo fikambanana maro, ireto nanolo-tena ho mpilatsaka an-tsitrapo ireo. Tanjona ny hanomezana fahaiza-manao ireo tanora ireo hitarika ny hetsika fifandraisana eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fokontany.
Izy ireo ihany koa no mpisehatra fampitaovana amin’ny fanentanana sy fanaparitahana vaovao eo amin’ny fiarahamonina mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Mifehy ny fanomanana ny vondrom-piarahamonina hiatrika ny loza mety hitranga. Hamolavola drafitrasa miaraka amin’ny fanatanterahana ny asa an-tserasera fanentanana eny anivon’ny fokontany.
Handray anjara amin’ny fanatanterahana ny hetsika fampitam-baovao ireo mpilatsaka an-tsitrapo, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra.
Aorian’ny fampiofanana dia handray andraikitra eny ifotony avy hatrany ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto ary hanentana ny fiarahamonina.
Tatiana A