Nanambara Rakotondrabe Romuald, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa diso ny filazana an-gazety fa hisy fihaonan’ny Barea amin’i Maroc sy i Mozambique, eo amin’ny lalao fanomanana amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny « Mondial 2026”. Voalaza tamin’izany fa hotanterahina ny volana janoary, ireo lalao roa ireo. Nanamarika i Me Rôrô fa nisy nisandoka ny adiresiny tao anaty tambanjotran-tserasera namoaka izany vaovao izany.
Nomarihiny tsara fa tsy misy datin’ny federasiona iraisam-pirenena «fenêtre FIFA» ny volana janoary fa any amin’ny marsa vao miditra amin’izany ireo mpilalao rehetra. Ankoatra izay, nolazainy fa tsy anjarany rahateo ny manondro izay ekipa hifanandrina amin’ny Barea fa andraikitry ny federasiona fa izy dia manatanteraka fotsiny. Mijanona ho teknisianina sy mampanao fanazarantenan’ny ekipam-pirenena fotsiny ny tenany, ankoatra ny fitiliana ireo mpilalao, azo antsoina handrafitra ny Barea de Madagascar.
Nataony ny fanitsiana hialana amin’ny resaka mandeha etsy sy eroa amin’ireo lalao iraisam-pirenena, hataon’ny Barea de Madagascar. Ny vaovao avoakan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ihany no ofisialy amin’izay ho fandaharan-dalao hatrehin’ny ekipam-pirenena malagasy.
Na izany aza, mitohy hatrany ny fanomanantenan’ireo mpilalao avy eto an-toerana amin’io fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2026», io.
Raha tsiahivina, mitana ny laharana fahatelo ny Barea, taorian’ireo andro roa eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona «I». Manana isa 3 ny Barea tamin’ireo fihaonana efa tontosany. Faharesena, nanoloana an’i Ghana tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, sy fandresena 3 no ho 0 tamin’i Tchad.
Tompondaka