Hotanterahina any Harare Zimbabwe, manomboka ny 14 – 16 desambra ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina “African School Football Championship”, taranja baolina kitra. Ao anatin’ny vondrona B no misy an’i Madagasikara, araka ny antsapaka natao omaly. Hiady ho lohany amin’izy ireo ao i Afrika Atsimo, Angola, Namibia, Zambia. Marihina fa natokana ho an’ny mpianatra lahy sy vavy izany.
Ny alatsinainy 27 novambra lasa teo, efa nanomboka ny fampivondronana ny ekipam-pirenena malagasy, teny amin’ny ivontoeram-piofanana, Carion. Tsiahivina fa efa nahavita ny fifaninanam-pirenena, hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena ny vaomiera misahana ny baolina kitra ho an’ny tanora eo anivon’ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Notontosaina ny 28 oktobra – 2 novambra lasa teo izany.
Tsara ny mampahafantatra fa miisa folo ireo firenena mandray anjara, ary nozaraina vondrona roa “A” sy “B” izy ireo. Raha ho an’ ny sokajin-taona, natokana ho an’ireo ankizy mpianatra latsaky ny 13 taona, ho an’ny lehilahy, raha latsaky ny 15 taona, ny vehivavy. Hisolotena ny faritra Cosafa, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay ho tompondaka amin’ity fifanintsanana ity.
Fitia Randria