Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano ao Toamasina, omaly. Ankoatra ireo azo sambo-belona, jiolahy enina hafa karohina.
Nihorohoro ny mponina tao amin’ny fokontany Tanamborozano Parisela 22/31, carreau faha-7 manamorona ny lakandranon’i Pangalana, omaly vao maraina. Tokantrano maromaro no nahazo fandrahonana nataona andian-jiolahy. Tonga ara-potoana ny polisin’ny Fip notarihin’ny kaomisera, Rafaliarivo Jules, ka nifanehatra tamin’ireo jiolahy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Misy ireo mangalatra sy maka an-keriny ireo entan’olona ao an-trano, ao koa ireo miambina ny tompon-trano sy ny manodidina tsy hikiaka sy hiantso vonjy. Vao nahatazana ny fiavian’ny polisy ireto jiolahy dia saika hamely olon-tsotra iray sy polisy tamin’ny antsy. Nandositra nitsoraka tany anatin’ny lakandranon’i Pangalana izy taorian’izay. Tsy namelan’ny polisy anefa fa nitifitra avy hatrany izy ireo. Vokany, lavon’ ny bala ny jiolahy roa, fantatra amin’ny anarana hoe i Mosa sy i Sambo. Nisy kosa ireo azo sambo-belona na efa nikasa hitsoaka ihany aza. Nilaza ireto jiolahy tratra ireto fa vao tonga avy any amin’ny tanàna iray antsoina hoe Antesoalika, avaratr’Ambovombe, izy ireo. Jiolahy enina hafa kosa tafaporitsaka tarihin’i Maroc.
Fanafihana maro no efa vitan’izy ireo…
Nanafika mpivarotra tao Dépôt sy Vohitsara, parisela 21/73, tao Tanambao Verrerie parisela 21/71, ny alin’ny 27 novambra lasa teo. Jiolahy iray voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’io fotoana io raha telo azo sambo-belona. Tafaverina tamin’ny tompony kosa ny entana halatra rehetra. Teo koa ny fanafihana tokantranon’olona iray tao Ambodindrahoroho ny 6 desambra 2023. Nitohy tao amin’ny fasana kaominaly izany ka niharam-boina tamin’izany ny tomponandraikitry ny fasana kaominaly ao Ambalambe. Lasa daholo ny varavaram-pasana rehetra tamin’io fotoana io.
Fa jiolahy iray koa no nifanenjehan’ny polisy teny Ampefiloha mihazo ny tsena vorodamba, omaly vao maraina. Jiolahy avy nanendaka olona handeha hivavaka vao maraina ity nifanenjehan’ny polisy saingy tafaporitsaka tao anaty olona teo akaikin’ny tsena vorodamba ity.
Sajo/J.C