Namoaka ny tatitra momba ny fampiasana ankizy ho an’ny taona 2022 ny departemantam-panjakana amerikanina misahana ny asa. Nahomby ny ezaky ny fanjakana.
Nivoaka ny tatitra mahakasika ny ezaka nataon’ny firenena tsirairay mahakasika ny ady amin’y fampiasana ankizy. Tsara ny kaontin’i Madagasikara, tamin’ny taona 2022. Hita ny ezaka ny firenena malagasy, araka ny tatitry ny amerikana.
Namoaka drafitrasam-pirenena vaovao ny governemanta amin’ny famarinan’olona. Mipetraka ny vaomiera isam-paritra miady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Nisy ny fitsidihana natao teny anivon’ny tsena, fanaovana biriky ary teny amin’ ny toerana famakiana vato tany Fianarantsoa. Narahina fanentanana ireo ray aman-dreny izany.
Tamin’ny taona 2022, nandrafitra ny tatitra tamin’ireo birao 11, any amin’ny faritra, ny minisiteran’ny Asa momba ny karazana asa mahavoakasika ny fampiasana ankizy, teo anelanelan’ny taona 2019-2021. Voamarina, tamin’izany, fa ankizy 922 no hita amin’ny sehatrasa maro samihafa.
Nampitomboina
Nampitomboin’ny governemanta malagasy ny fampisakafoana an-tsekoly. Nisarika ny ankizy ho tamana hianatra ary nampihena ny fandehanan’izy ireo miasa izany. Sekoly 1 200 hatramin’ny 2 209 no voakasiky ny ezaka, araka ny tatitra hatrany.
Tetsy andaniny, tsy hita ny fanadihadiana nataon’ny governemanta malagasy mahakasika ny tatitra momba ny fampiasana taratasy sandoka amin’ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ireo tsy ampy taona. Miaina anaty jalin’ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy eto Madagasikara, raha ny fantatra. Miafara amina famarinan’olona izany. Manampy trotraka ny asa an-terivozona any amin’ireo tokantrano mampiasa ankizy tsy ampy taona. Ankoatra izany, manao asa mamoafady sy mampidi-doza ny ankizy sasany, toy ny fitrandrahana mica sy amin’ny asa fambolena, toy ny sehatry ny lavanila.
Tatiana A