Tafiditra ao anatin’ny fikambanana 13, nisitraka fiofanana notanterahin’ny Initiative pour les petites associations locales (Ipal) ny fikambanana Albinos Madagascar. Niofana momba ny fananganana tetikasa sy fitantanana fikambanana ary ny mahakasika ny hetra izy ireo.
“Ilainay fikambanan’ny olona varira ny fampiofanana toy izao, ahafahanay mampandroso ny mpikambana sy iseharanay amina zavatra ambonimbony hatrany”, hoy ny filohan’ny fikambanana, i Soja Fulgence. Niompana tamina lohahevitra 9 ny fiofanana. “Zava-baovao entina hampandrosoana ny fiainan’ ny fikambanana rahateo izany”, hoy ny filohany.
Tanjona tamin’ny fandaharanasa Ipal ny hananan’
ireo fikambanana fahaiza-manao amin’ny fametrahana rafitra manaraka ny tokony ho izy. Manampy izay ny fitantanana sy fananana fahaiza-manao amin’ny fandrafetana tetikasa mba haharesy lahatra ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka. Mba tena hisy fiantraikany tsara amin’ ireo iasana ihany koa ny fanatanterahana ny tetikasa eny ifotony.
Niarahana tamin’ny Association alternative Madagascar ary niaraha-niasa tamin’ny masoivoho frantsay ny fampiofanana.
Tatiana A