Kamiaobe nivadika…: olona efatra maty voatsindrin’ny entana

Olona efatra indray maty vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Ambatolampy, fokontany Morarano, kaomi­nina ambanivohitr’i Saroba­ratra, distrikan’i Tsaratanana RN33A, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Teo amin’ny 2 km mialoha amin’ny lalana mihazo an’i Tsaratanana no nitranga ny loza. Kamiaobe iray mpitatitra vokatra mampitohy an’ Ambondromamy sy Tsarata­nana ity namoa-doza ity. Feno entana ilay fiarabe tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Namoy ny ainy ireo olona
efatra niaraka tamin’ilay kamiaobe. Tsy mbola fantatra mazava izay antony naha­tonga ny loza. Voalazan’ny fanadihadiana savaranonando kosa anefa fa olana ara-teknika tao amin’ity kamiaobe ity no nahatonga ny loza. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ ny tobim-paritra Tsaratanana. Anisan’ireo naratra koa ny mpamily ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Nahitana fahasimbana ilay kamiaobe. Niparitaka kosa ireo entana nentiny ka ny zandary no niandry izany. Olana sedrain’ny mponina amin’iny faritra iny koa ny haratsian-dalana, ahina ho misy ifandraisany amin’izany koa izao loza izao, saingy ny valin’ny fanadihadian’ny zandary no ahafantarana ny marina rehetra momba izany.

J.C

Partager sur: