Noelin’ny firaisan-kina : nolokoina ny CEG Ambohipo

Hetsika sosialy maro maneho firaisan-kina no hamarika ny volana desambra miaraka amin’ny Orange solidarité Mada­gascar. Nanomboka ny asa ny fandokoana ny CEG Ambohipo iarahana amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapon’ny Orange Mada­gascar, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra koa amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsitrapo ny zavatra natao teny an-toerana.
Toy ny fanao isan-taona, hisy koa ny krismasin’ny firaisan-kina ho an’ny ankizy tsaboina eny amin’ny hopitaly ka hisitraka avokoa ny zaza eny anivon’ny tobim-pahasalamana eto Antananarivo.
Ankoatra ny fotoanan’ny krismasy, nosantarina ny taona 2011 niaraka tamin’ny fametrahana ny Orange solidarité sy ny Association humanitaire d’Orange ny hetsika samihafa. Iaraha-miasa amin’ny fikambanana maro, ny tomponandraikitry ny fanatanterahina azy manerana ny faritra rehetra. Miom­pana amin’ny fanabeazana nomerika, fahasalamana, fampivoarana ny vehivavy sy ny tanora ny ezaka ary manome lanja ny teknolojia vaovao.

Vonjy

Partager sur: