Nahazo fotodrafitrasa vaovao ny lalam-piofanana “Terre, ruralité, eau”, ao amin’ny sampam-pianarana Sciences de la vie et de l’Environnement, Faculté des Sciences, Oniversiten’i Mahajanga. Ahitana efitrano fianarana sy birao ary efitrano fivoriana miaraka amin’ny fanaka moderina. Efa nahazo fankatoavana na “habilitation” avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ity lalam-piofanana ity.
Fiaraha-miasa amin’ny tetikasa “Prosol GIZ”, Alemana, no nahavitana ny fotodrafitrasa, ho fanatsarana hatrany ny fampiarana sy ny fikarohana. Nomen’ny minisitera federaly alemà misahana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana (BMZ) ity tetikasa ity. Tanjona ny hampiroborobo ny fiarovana ny tany sy ny fanarenana ny tany simba eto Madagasikara, ao anatin’ny hetsika manokana « Tontolo iray tsy misy hanoanana ». Miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ihany koa ny tetikasa fa mitarika azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana .
Naneho fankasitrahana sy mampirisika hatrany ireo mpiara-miombon’antoka amin’ ny fampianarana ambony hanamafy ny fiaraha-miasa toy izao tetikasa “ProSol GIZ” izao ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Vonjy




