Fianianan’ny filohan’ny Repoblika : mila miomana amin’ny fitohanana sy ny fahatapahan-dalana

Mba tsy ho tampoka amin’ny rehetra. Nampilaza mialoha ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa mety hisy ny fitohanan’ny fiara sy ny fahatapahan-dalana, ny sabotsy izao. Mandritra ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izany.

Nampilaza mialoha ny fiadidiana ny tanà­nan’ Antananarivo, amin’ny alalan’ny talen’ny fitaterana, ny kaomisera Ainanirina Al­bert Estel, fa hisy ny fepetra maromaro izay tsy maintsy horaisina amin’ny sabotsy izao. Natao izany hampirindra ny fianianan’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina.

Mila miomana dieny izao, araka izany, ny rehetra amin’ny mety hisian’ny fahatapahan-dalana vitsivitsy noho ny fanomanana sy fandaminana ary ny fandrindrana ny toerana hanaovana ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika. Mila mandray fepetra mialoha sa­hady amin’ny mety hisian’ny fitohanan’ny fiara amin’io andro io ny rehetra.

Natao mialoha mihitsy ny fampandrenesana mba hahafahan’ny mponin’Antanana­rivo miomana. Mandeha miandalana kosa ny antsipiriany mahakasika ny fanapahan-dalana.

Ny fiarahana miombom-po sy fifanomezan-tanana amin’ny fanotronana ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara amin’io fotoana io no hanaovan’ny CUA fanentanana ny rehetra amin’ny fanajana ny lamina apetraka.

Hiverina amin’ny laoniny kosa ny fifamoivoizana rehefa tapitra ny fety. Mila mandamina ny fotoanany, araka izany, ireo tsy maintsy mivoaka ny trano ka hiakatra eto an-drenivohitra, amin’io sabotsy io.

Hiasa handamina ny fifamoivoizana hatrany ireo polisy miandraikitra izany mba tsy hisy fiantraikany be loatra amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponina ny fahatapahan-dalana sy ny fitohanan’ny fiara mandritra ny tontolo andron’ny sabotsy.

Tatiana A

Partager sur: