Efa somebiseby ny mpanohana ny filohan’ny Repoblika amin’ny fety aman-danonana ho tanterahina amin’ny sabotsy. Mandray fiaingana vaovao indray ny lamasinina ho amin’ny dimy taona manaraka. Na inona na inona aloha natao hanakanana ny fifidianana dia vita izy izay. Lany ny filoha teo amperinasa, manohy ny dingana sy ny lalana efa nizorana. Asa hanao ahoana anefa ny ekipa?
Iaraha-mahalala ny zava-nisy tao anatin’ny faramparan’ny fotoam-piasan’ny filoha Rajoelina Andry. Tena kofona ny ekipa sisa tavela. Ireo tsy mahari-pery sy tsy nahatanty ny mena miraviravy ireny nisidina tsy lera ireny. Diso tany anaty kajy ka sady tsy an-tany no tsy am-parafara izao. Ny ankanga sisa nanamborana tao anefa, niaraha-nahita fa tsy nahavita akory ny iraka nandrasan’ny Filoha, andaniny. Nandiso fanantenana ny vahoaka ankilany.
Saika nivadika ho nofy ratsy raha tsy izy tenany mivady no niditra an-tsehatra matetika mamaha ny olana sy mamafa ny tsy fahombiazan’ny mpiara-milalao. Hita nihareraka sy niferotraina ny filoha mivady, saingy tsy afa-nanoatra noho ny fisian’ireo « sadasada manan-tsoratra », toa misary ho matihanina kanefa mitaingim-bozona izay azo notaingenana fotsiny.
Hiverina an-kianja ny kapitenin’ny ekipa amin’ny sabotsy ho avy izao. Mino sy matoky isika fa hiova hanaraka izay ihany koa ny fandrafetana ireo hiakatra kianja. Misy ny ambana hafahafa, saingy rehefa miray saina sy manana fahavonona ny mpilalao dia hisosa ny zava-drehetra. Madagasikara rahateo tsy maintsy mandroso.
Mahoraka ny feo ho an’ny olona mijery miiba fa tsy hahavita fotoam-piasana ny filoha Rajoelina Andry. Ady fiady io, fa asakasak’izay hanaiky lembenana. Na izany aza, efa tomombana ny lanonana ny sabotsy ho avy izao. Aoka samy hanaraka fandaminana fa sao misy indray ny hanao volo manoha-randrana ka hahafaty ny hafa eo.
r.r