Tanterahina mandritra ny 3 andro, etsy Ambaranjana, ny dinika lehibe momba ny astronomia sy astrofizika iarahana amin’ireo profesora avy any ivelany sy eto an-toerana ary mpianatra mandalina izany.
Nasongadin’ny profesora Rakotomalala Minoson, avy ao amin’ny fakiolten’ny Siansa, ao amin’ny oniversiten’Antananarivo, fa 30 mianadahy ireo Malagasy mpianatra manomana ny diplaoma PhD any ivelany mahakasika ny astronomia sy astrofizika.
Miavaka i Madagasikara satria manana an-dRandriamanakoto Zara, vehivavy manomana ny PhD any Afrika Atsimo, ary voahosotra ho vevivavy 20 voalohany aty Afrika manao ny fikarohana. Tonga miatrika ny fihaonana amin’ireo manam-pahaizana eto rahateo izy ankehitriny.
Manao ny fikarohana amin’ny famoronana téléscope goavambe mirefy 1km mahery no hifantohan’izy ireo ahafahana mijery ny zava-misy any amin’ny volana sy ny kintana, ny galaxy… Manao ny fikarohana momba ireo fahaveloman’ireo kintana sy ny tokony hatao rehefa tonga ny hahafatesan’izy ireny.
“Mahaliana ny mpianatra ny fianarana ny tontolon’ny astronomia saingy sakana ny teny anglisy”, hoy ny fanazavan’ny profesora Rakotomalala Minoson. Ankoatra ny taranja fizika dia mila fehezina ny teny anglisy satria saika amin’ny teny anglisy avokoa ny boky sy ny fikarohana hatao.
Tsy olana ny fitaovana enti-mampianatra satria miara-miasa amin’ny toeram-pikarohana any ivelany ny sampam-pampianarana. Tsy ampy kosa ny mpampianatra satria tokana monja no noraisina ary tsy ampy ireo manam-pahaizana ambony momba ny astrofizika.
Ao amin’ny oniversiten’ Antananarivo, fakiolten’ny Siansa no misy ny fampianarana ny astronomia sy astrofizika. Tsy maintsy manao ny lalam-piofanana fizika aloha ireo mpianatra ary aorian’ny fahazoana ny Licence no miditra amin’ny fandalinana ny astronomia. Hatreo amin’ny “Master” ny fampianarana eto madagasikara fa tsy maintsy any ivelany no manohy ny fahazoana PhD.
Tatiana A




