Miakatra tsikelikely: mahatratra 3 500 Ar ny kilaon’ny vary gasy

Mitohy ny fiakaran’ny vidim-bary. Nahatratra 1 000 Ar ny kapoakan’ny vary gasy mena eny amin’ny mpaninjara, nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo. Izany hoe, 3 500 Ar ny kilao, nahitana fitomboany 100 Ar isaky ny kilao, satria mbola 3 400 Ar tamin’ny fiandohan’ny volana desambra. Mahatratra 3 400 Ar hatramin’ny 3 500 Ar kosa ny vidin’ny makalioka, raha manodidina ny 3 000 Ar ny kilaon’ny vary hafarana avy any ivelany. Ma­nodidina ny 2 800 Ar ny kilaon’ny vary tsipala.
Nilaza ny mpamongady iray eny Andravoahangy, fa noho ny filatsahan’ny orana no mampiaka-bidy ny vary satria ratsy ny lalana any amin’ny toerana hakan’ny mpanangom-bokatra azy. Mihena tsikelikely koa ny tahirim-bary.
Ao anatin’ny maitsoahitra tanteraka, ankehitriny. Tombanana hiakatra amin’ny fiandohan’ny volana janoary ny varialoha, toy ny eny amin’ny Betsimitatatra, Laniera, Fenoarivo, sns. Manom­boka manetsa kosa ny tantsaha mampihatra ny vakiambiaty, tena miantoka ny famatsiam-bary eto amintsika. Manentsina ny banga ny vary hafarana avy any ivelany, saingy nihalafo koa ny vidiny.

Njaka A.

Partager sur: