Taninketsa indostrialy- Ambatondrazaka: mamokatra ketchup 3 000 tavoahangy isan’andro

Manodina voatabia 1 500 kg ny milina ao Ambalabako Ambatondrazaka, izany hoe, mamokatra ketchup 3 000 tavoahangy isan’andro. N­a­moaka ny vokatra voalohany tamin’ny 15 okotobra lasa teo ny orinasa. Nanaovana fitiliana izany ary voamarina fa manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ny vokatra ka azo ohanina tsara ny Kechup Lycoper. “Manana ambim-bava amin’ireo vokatra voaodina isika ankehitriny. Noho izany, mifantoka kokoa amin’ny fivarotana sy fitadiavana lalam-barotra izahay amin’izao fotoana”, hoy Rasolofo­haritseheno Hasina, mpandraharaha mitantana ny taninketsa Indostrialy ao an-toerana, namoaka ny vokatra Lycoper.
Tanjon’ny tetikasa ODOF ny famatsiana ny mponina amin’ny entana andavanandro sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra. Ankehitriny, mandray amin’ny vidiny ara-drariny ny vokatry ny tantsaha ny tetikasa. Fan­tatra fa manodidina ny 8 t isan’andro ny voatabia ao Amba­tondrazaka amin’izao fihenan’ny vokatra izao, raha tafakatra hatrany amin’ny 20t izany amin’ny fotoana fahavokarany.

Henintsoa H.

Partager sur: