Maty tsy tra-drano ny mpandeha bisikileta nifandona tamina taksiborosy iray, afakomaly, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ampofo, Pk 243, RN 7. Hihazo an’Antananarivo io taksiborosy io no nifandona tamin’ity mpandeha bisikileta ity. Nisy tamin’ireo mpandeha tao anaty fiara koa no naratra mafy ka voatery nentina hopitaly haingana.
Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly HJRA ireo olona naratra tamin’ilay lozam-piarakodia nitranga tao Menabe, fokontany Lovainjafy, kaominina Ambohipihaonana, Ambatolampy, afakomaly. Taksiborosy iray avy any Ihosy hiakatra aty Antananarivo no nifatratra tamina fiara kely iray. Tratran’ny torimaso fotsy teo ambony familiana ny mpamily ka tsy nahafehy izany intsony.
Nampidirina am-balam-pamonjana ireo omby nirenireny azon’ny zandary manao fampandriantany niaraka tamin’ny andrimasom-pokonolona tao Ampanjavava, afakomaly. Omby roa ireto hitan’ny zandary tao Ambinda Ankara, atsimon’ny Ampanjavavaky. Nilaza ho tsy misy tompony anefa ireo olona nanontanian’ny zandary. Miandry izay tompony ao amin’ny zandary ireo omby roa lahy ireo.
Dahalo telo lahy lavon’ny zandary tao Amparaky, kaominina Analavory, ny alahady 17 desambra teo. Nangalatra omby tao Sakay izy ireo ka nanara-dia ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Nifandona tamin’ireo olon-dratsy ireto farany. Vokany, lavo ireo dahalo telo lahy ary tratra teny aminy ny fitaovam-piadiana. Tafaverina amin’ny tompony ireo omby halatra.