Lavon’ny polisim-pirenena, afakomaly, ny roa tamin’ireo jiolahy efa-dahy saika hanao ny asa ratsiny tetsy Ankasina. Nanararaotra ny orana nijojo ireo olon-dratsy, saingy nifanehatra tamin’ny polisy.
Tamin’io fotoana io, vehivavy hamonjy fodiana nandeha moto no lasibatr’ireo mpanao ratsy. Efa niandry teo amin’ny “rond point Mad Inox” izy efa-dahy. Araka izany, eo amin’ilay lalan-dratsy iny no nanaovany izany noho ireo moto mandeha mora. Manana ny paikadiny ireo jiolahy rehefa hanao ny asa ratsiny. Ao ireo manaraka moramora sy manambana antsy lava. Ny sasany mibahana eo aloha mody manao mamo sady mandeha miadana. Nitsoaka avy hatrany anefa ireo jiolahy rehefa mahazo izay zavatra tadiaviny.
Tsy lasa lavitra
Teny an-dalana, nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily ireto mpanendaka. Efa niandry tsy lavitra teny ireo polisy ka nanenjika ireo jiolahy. Raikitra ny fifandonana ka lavo nandritra izay ny roa lahy, izay mbola nahitana antsy maranitra. Tafaporitsaka kosa ireo namany hafa niaraka tamin’ny basy.
“Tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpitandro filaminana teny amin’ny Mad Inox, ny alin’ny 9 avrily teo ireo roa lahy karohina ireo”, hoy ny polisim-pirenena. Mitohy, araka izany, ny fitadiavana ary tsy maintsy tratra ireo jiolahy ireo. Nomarihiny hatrany fa eny amin’ny fokontany Ankasina sy Antsalovana Antohomadinika ary ny “rond point Mad Inox” iny ny toerana mafana amin’ny asan-jiolahy. Saingy mahita faisana avokoa ireo rehetra izay mifanehatra amin’ny polisim-pirenena.
Henintsoa Hani