“Tsy afa-misaraka ny tontolo iainana sy ny fambolena. Rehefa simba ny tontolo iainana, potika ihany koa ny tany dia ratsy ny vokatra”, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), Vina Marie-Orléa. Manoloana ireo karazana famokarana sy fambolena tsy manaja ny tontolo iainana misy eto amin’ny firenena. Toy ny fandoroana tanety, fandripahana ala… Ampahafantarina sy toroana hanova tsikelikely ny fomba fambolena ny tantsaha. Mba hanome lanja kokoa ny tontolo iainana. Tanjona ny hanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara. Marihina fa natolotra tetsy Anosy, afakomaly, ny fehin-kevitra entina manatanteraka ny fomba fambolena miaro ny karazan-javamananaina. Paikady hisorohana ny fahapotehana vokatry ny fampiharana ny fomba fambolena tsy manaraka ny fenitra. Tafiditra anatin’ ny tetikasa FMM Madagascar. Niarahan’ny FAO eto Madagasikara, sy ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana, ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, ary koa ny minisiteran’ny Tontolo iaianana sy ny fandrosoana lovainjafy ny fanatanterahana izany.
Mino