ENEM Mahajanga : hampitomboina ny Malagasy tantsambo

Tafiditra ao anatin’ny vina apetraky ny Ecole nationale d’enseignement maritime (ENEM) ao Mahajanga, ny fampitomboana ny Malagasy tantsambo miofana eo anivon’ny sekoly. Noho izany, hampitomboina avo folo heny farafahakeliny ireo Malagasy hiofana eo anivon’ity sekoly ity. Fanamby apetraky ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny hametraka sekoly mpampiofana tantsambo manerana ny Nosy. Hisitraka izany ny ao Toamasina, Antsiranana, Toliara, Atsimo Atsinanana ary koa i Nosy Be. Marihina fa mampidi-bola mihoatra ny lavanila ny asa an-tsambo. Mahatratra hatrany amin’ny 49 400 ny tantsambo navoaka tao amin’ny ENEM hatramin’ny taona 1962. Anke­hitriny, 8 000 ireo Malagasy tantsambo ary 5 000 no miasa maneran-tany. Ankoatra izay, tantsambo miisa 49 avy amin’ny andiany indray mihira “Santatra” – “Atrika” – “Riaka” – “Vatofantsika” no navoaka ny alatsinainy teo, rehefa avy nanaraka fampiofanana tao amin’ny sekoly.
Tonga tany an-toerana nanatrika ny lanonana ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro sy ireo mpiara-miasa aminy. Tao ihany koa ireo tomponandraikitra sy olom-boafidy ao an-toerana.

Henintsoa H.

Partager sur: