AJS Mada Tsiadana : misarika ny ankizy hitia fanatanjahantena

Feno dimy taona ny sekoly rugby, Association des Jeunes Sportifs (AJS) Mada eny Tsiadana. Miezaka mitaiza sy mamolavola ny ankizy sy ny tanora hitia fanatanjahantena izy ireo.

Hotontosaina ny alahady 24 desambra ho avy izao, eny amin’ny kianjan’ny Oniversite Ankatso, ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny Association des Jeunes Sportifs (AJS) Mada, Tsiadana. Araka izany, hisy ny hetsika fampahafantarana ity sekoly ara-panatanjahantena ity sy ny fanentanana ireo ankizy sy tanora hitia sy hanao fanatanjahantena.
Marihina fa ny AJS, mitaiza sy manabe ny ankizy amin’ny alalan’ny taranja rugby.
Miisa 100 mahery eo ny ankizy beazina ao, ary misy sokajy lahy sy vavy. Raha ny fanazavana nomen’ny mpikarakara, hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny hetsika eny an-toerana. Hanokatra ny fotoana ny “Get into rugby”, fampilalaovana ny ankizy. Amin’ny 9 ora sy sasany, hisy ny lalao “match triangulaire”, ho an’ireo tanora latsaky ny 16 taona, hiarahan’ny lahy sy vavy (mixte). Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny AJS Mada sy ny Madecas ary ny Alascam Alasora. Tsara ny mampahafantatra fa niforona ny taona 2019 ny AJS Mada Tsiadana, ary misokatra ho an’ireo ankizy rehetra maniry ny hilalao rugby ny fikambanana. Ankoatra izay, hisy lalao fihantsiana efatra hotanterahina eny an-toerana, amin’io fotoana io. No­ha­mafisin’ny mpikarakara fa hotolorana amboara izay mivoaka mpandresy amin’izany.

Fitia Randria

Ireo lalao fihantsiana efatra

10 ora 30 : RCSA Ambohitsaina vs Magma
12 ora : JSTM Tsiadana vs RCM Manjakaray
1 ora 30 : ASTM Tsiadana vs COA Ambanidia
3 ora : XV Promotion Tsiadana vs Union Avaratra Antanimora

 

Partager sur: