Niakatra fampanoavana, omaly, ny miaramila sivy (Tafika sy zandary). Voarohirohy miaraka amin’ny ben’ny Tanàna roa tamin’ny raharaha fakana an-keriny ao Ankazobe izy ireo.
Heloka anenjehana ireo voarohirohy ireo ny firaisana tsikombakomba sy mpamatsy bala ireo dahalo mpaka an-keriny ao anatin’ny distrikan’Ankazobe. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana fikarohana heloka bevava Fiadanana, ny Kly Ravelomanana Tahina, mpitandro filaminana avokoa ny sivy amin’ireo olona 16 voasambotra. “Olom-boafidy ny roa ary sivily ny dimy”, hoy hatrany ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana fikarohana heloka bevava Fiadanana. Mitotaly 64 isa ny bala mahery vaika “calibre 7.62 mm” saron’ny mpitandro filaminana teny amin’ireo mpiray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy ireo. “Tsy anananay havana io fitandroana filaminana io, porofon’izany, ny fisian’ireo mpitandro filaminana sivy natolotra ny fampanoavana ao Ankazobe androany”, hoy ny Kly Ravelomanana Tahina, omaly.
Olona roa takalon’aina…
Mbola misy olona roa tazominin’ireo mpaka an-keriny ao amin’ny distrikan’Ankazobe, amin’izao fotoana. “Efa nivoaka avokoa ny ankamaroan’ireo olona natao takalon’aina”, hoy ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga, ny Kly Tojo Raoilijon. Nandoa ny vola notakin’ireo olon-dratsy ny fianakavian’ny lasibatra tamin’ny tranga roa voalohany. Tsindry avy amin’ny mpitandro filaminana sy ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona kosa no nahafahan’izy ireo nanavotra ireo hafa lasibatra. Andalam-pikarohana ireo atidoha mikotrika io fakana an-keriny miseholany ao Ankazobe sy ny manodidina io ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.