Raha atao indray mijery dia hita fa kofona ilay vahoaka malagasy amin’ny lafiny sosialy. Tafahoatra ary tsy azo atao ny mitazam-potsiny ny zavatra tsy mandeha eto amin’ny firenena. Ny hanongontsongoina ny maty rahateo dia ny tahotra ny handevim-belona. Sintonina dieny vao mandray fiaingana indray ny lamasinina haingam-pandeha. Tsy maintsy sorohina izay azo sorahana mba tsy ho kobaka am-bava fotsiny ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso.
Tsy misy fandrosoana azo tarafina amin’ny olona mihaingo ambony tsikoko. Ny bainga voavadika ihany no porofon’ny asa. Tsy misy mana milatsaka avy any an-danitra, na fahagagana tongatonga fahatany fa tsy maintsy arahana asa. Mila fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitondra fanjakana ny famahana ny olana samihafa, toy ny jiro sy rano tapa-dava, vidim-pianana miakatra andro aman’alina, indrindra ny tsy fandriampahalemana.
Ampahany ireo, fa maro tsy voatanisa ny olana mikiky ny fiarahamonina malagasy. Anisan’izany ny tsy fananan’ny mpanao politika etika ka zary mamorika vahoaka. Aiza no misy entana efa simba na lany daty dia fotsiana hamidy sy hamitahana vahoaka rey olona !? Tafahoatra ny fanapoizinana ny vahoaka maro anisa mpanjifa, izay nampandany ilay filoha fihodinana voalohany. Tsy mendrika hamosavina tahaka izany na dia maty noana aza. Saro-pady ny aim-bahoaka, tsy tokony holalaovina tahaka izao.
Itony ilay singam-bolo mandavo ny vositra, fandoto iray tandroka manimba ny fandio iray siny. Izay indrindra no tsy maintsy mahamailo ny Filohan’ny Repoblika amin’ny olona mety hamahan-dalitra sy hanipy hoditr’akondro azy. Ny olona tsy mahalala afa-tsy « Andry Rajoelina » isaka izay misy zava-mitranga. Hikoha-maina aza hataon’ny sasany, mainka misy ny tahaka izao. Mila malina sy mitandrina hatrany !
r.r