Manohana mivantana ny tantsaha mpamboly ny tetikasa “Purpa », vatsian’ny Banky afrikanina ara-bola, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Notolorana kojakojam-pamokarana izy ireo, toy ny masomboly samihafa, sy zezika NPK sy organika.
Nosantarin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny volana novambra teo, ny taom-pambolena 2023-2024. Misy ny lamina sy ny paikady mazava hanatrarana ny tanjona, ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fampiasana fomba fambolena ara-teknika entina hampitomboana ny vokatra.
Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa “Purpa*”, tohanan’ny Banky afrikanina ara-bola (Bad), miara-miasa amin’ny Tahirimbola ho fampandrosoana ny famokarana (FDA), tanterahin’ny Minae, hanolorana kojakojam-pamokarana, toy ny masomboly voafantina, zezika NPK sy organika. Miisa 16 ny faritra efa nizarana ireo, nanomboka ny fiandohan’ny volana novambra hatramin’ny 27 desambra teo.
Fandraisana anjara 10%
Niisa 39 862 ny tantsaha nisitraka ny tohana. Nahatratra 380 730 kilao ny masomboly vary nozaraina, 93 732 kilao ny masomboly soja ary 140 511 kilao ny voanjo. Milanja 3 824 390 kilao kosa ny zezika organika notsinjaraina, raha 725 180 kilao ny zezika NPK.
Marihina fa aloan’ny tantsaha misitraka ny tohana ny 10%-n’ny tetibidin’ireo kojakoja nozaraina ireo.
Ny Faritra Analamanga no nahitana tantsaha nahazo fanampiana be indrindra tamin’ireo 16, ny any Vakinankaratra, niisa 9 289, sy Analamanga 6 529. Vitsy indrindra ny any Atsinanana, niisa 82 sy Ihorombe, 414 isa. Mitohy amin’ny janoary 2024 ny hetsika, ka anisan’ny faritra fito, tsy mbola nahazo, ny tantsaha any Menabe, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Diana, Anôsy ary Bongolava.
Njaka Andriantefiarinesy