Tao anatin’ny andro vitsy, vantany vao vita ny Noely dia nipoitra tsikelikely ny « ady seza ». Mivoaka tsimoramora eny amin’ny tambajotran-tserasera ny fisehosehoana sy fisolelafana ataon’ny mpanao politika sasany. Misy aza ny lany henatra, efa namadika palitao fony mba nahazo vahana kely ilay vondron’ny kandidà 11, indreo fa mitady hiverina tsikelikely. Tena politikan’ny tsisy etika, baikoin’ ny fitadiavana tombontsoa manokana. Kanefa izay vandana dia kary!
Manoloana izany, tena milamina tsy handrenesam-peo ny tandapa sy ny tompon-tanàna. Mangina tanteraka ny resaka fizaran-tseza. Tsy mbola misy mipika, mandraka izao, ny mahakasika izay ho mpikambana anatin’ny governemanta. Na ireo olona handrafitra ny fiadidiana ny Repoblika aza tena tsy hita soritra. Manaja ilay fitoniana mandritra ny fety, araka ny baikon’ny kapitenin’ny ekipa daholo angamba ? Na izany aza, efa hitahita soritra eny ihany izay hibata ny amboaram-pitokisan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.
Olon’ny asa sy olona miady ho an’ny kandidà nametrahany safidy, ary vonona ny hanompo ny tanin-janaka sy ny vahoaka no ilaina. Tsy izay mamy lela, vizana avy nivezivezy sy nitsapatsapa vintana tetsy sy teroa. Fanamby voalohany andrasan’ny mpanohana ny filoha rahateo ny fanendreny ny olona hiara-hiasa aminy, izay midika ho fitazonana ny teny nomena. Atao ahoana tokoa ny hitokisana amin’ny be raha sanatria misy ny fivadihan’ ny rasa?
Zava-dehibe tsy azo odian-tsy hita, hatramin’izao, ny fanaterana avy hatrany ny hazavana ho an’ny daholobe. Teny nifanaovany tamin’ny mpifidy raha vao lany fihodinana voalohany ny tenany. Porofom-pahamatorana izany. Fihetsika izay andrandrain’ilay Malagasy 25 tapitrisa, nifidy na tsia. Raiamandrenin’ny rehetra rahateo ny Filoha ka tsy hijerena tavan’olona ny fanaovan-tsoa.
r.r