Taona 2024: hanomboka febroary ny hetsika “Sehatra Ba gasy”

Rehefa voatery niato kely teny antsefantsefam-potoana… Fantatra, araka ny nambaran’i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Ba Gasy, fa hiverina manomboka ny volana febroary 2024 ny hira sy kalo eo ani­von’ity vondrona ity. Tsy hisy fiovana ny toerana sy ny fotoana. Isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora hariva. Ao amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsa­ha­vola hatrany no hanatanterahina ny «Atrikefa bagasy». Ny sabotsy faharoa amin’ny volana kosa, manomboka amin’ny 2 ora sy 30mn ka hatramin’ny 5 ora hariva, ao amin’ny efitrano malalaky ny tranom-piantohana ARO etsy Antsahavola no ha­na­tontosana ny «Zara sehatra bagasy». Nomarihin’ity filoha amperinasa ity fa maro ny sahanasa miandry ny tsirairay manomboka amin’io taona 2024 io, noho izany, ilaina ny miomana.
Marihina fa anisan’ny vina ho an’ny Sehatra Ba Gasy ny iainan’ny Malagasy ny kolontsaina sy ny hira bagasy. Ma­ri­hina fa manomboka mahasarika ny tanora ny bagasy ( hira, fitendrena zavamaneno) ankehitriny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: