Taona 2024 : Mba hiova amin’izay; tsy misy ambony sy ambany ny kolontsaina…

«Teny baiko», «varavarana misokatra», «dinika an-databatra boribory», sns. Efa zary mahazatra ny sofina ny mihaina na maheno ireo. Raha eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto indray, miverimberina ny : «nitondra avo ny zavakanto malagasy». Mateti­ka faritana mihitsy ilay zavakanto, tahaka ny hoe «nitondra avo ny hira malagasy», satria, niseho teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ilay mpihira. Na, nahazo laharana voalohany teo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ny sanganasan’ilay mpanakanto.
Andro vitsy sisa no isaina, handia ny taona 2024 ny firenena mampiasa ny fanisana andro gregorianina. Anisan’iza­ny ny Malagasy. Mitaky fiovana lehibe ireo fomba fisainana teo aloha ireo raha te hahita fivelarana sy fahatsarana bebe kokoa hatrany. Eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto, tsy misy avo sy iva izany. Samy manana ny hasiny sy ny mampiavaka azy, izy ireny. Tsy voatery ho lasa ambony akory ny zavakanto na ny kolontsaina iray rehefa nampahafantarina teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Amin’ny ankapobeny, tsy misy ventim-pandrefesana tokana ahafahana milaza fa iva na avo ny kolontsaina na ny zavakanto avy atsy na avy aroa.
Mila miova
Mitaky fiovana fomba fisainana io taona 2024 ho avy io. Raha mbola apetraky ny Malagasy, indrindra fa ny mpanakanto sy ny zavakanto ary ny kolontsaina, ho «avo» ny any ivelan’ny Nosy, midika fa «iva» izany ny eto Madagasikara ! Sanatria, ho «iva» mandrakizay raha mbola tsy hain’ny Malagasy ny manala ilay fomba fisainana teo aloha.
Manana zavakanto sy kolontsaina miavaka i Madagasikara. Tsy vitsy amin’ireny no ezahin’ny vahiny trandrahana… Misy antony matoa mandany vola, fotoana, sns, amin’izany ry zareo !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: