Fiofanana no hanombohan’ny federasiona malagasin’ny Kung fu, ny taom-pikatrohana 2024. Izay no tapaka, araka ny fandaharanasa notapahin’ny mpizaika nandritra ny fivoriambe, ny 15 desambra lasa teo. Hisy ny fiantsoana fiofanana izay hatao ny sabotsy 6 janoary 2024, eny amin’ny foibe 67 ha, manomboka amin’ny 8 ora maraina. Hiompana amin’ny lafiny ara-pitantanana sy ara-teknika izany.
Araka ny fanazavana, hampanatsoina sady handray anjara amin’ny fampiofanana ireo filohan’ny ligim-paritra eo ambany fiahian’ny federasiona malagasin’ny Kung fu, manerana ny Nosy. Ankoatra ny filoha, afaka mitondra olona iray hafa ny avy amin’ny faritra tsirairay hanatrika izany.
Tanjona ny hampianatra sy hanome fahalalana ireo mpitantana isan-tsokajiny, mba hizotra araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny rafitra any ifotony, misy azy ireo. Toraka izany ny fanatsarana ny lafiny teknika, indrindra rehefa mikarakara fifaninanana. Tafiditra anatin’ny vinan’asan’ny federasiona rahateo ny lafiny fampiofanana ka ezahina ny hampitombona izany amin’ny taona ho avy.
Mi.Raz




