Voly fototra eto Madagasikara ny voly vary ary mbola tsy ampy ny vokatra. 90 % amin’ny mpamboly, miasa amin’ny sehatry ny vary avokoa. Tombanana 4 000 000 t ny vokatra miakatra amin’ny velaran-tany 1 300 000 ha.
Manan-danja amin’ny fambolena manerana ny Nosy ny vary. Mitazona anjara toerana lehibe koa amin’ny toekarena amin’ny harin-karena faobe (PIB). Anisan’ny mampidi-bola betsaka ho an’ny tokantrano maro any ambanivohitra izy io, raha ny fanadihadiana natao. Tsy mbola ampy ny vokatra eto an-toerana, raha ny zava-misy. Antony mahatonga izany ny fomba famokarana sy fanodinam-barotra. Fiandohan’ny taona 2000, efa 45 % sisa ny kaominina mivelona amin’ny voly vary. Kaominina maro efa mitrandraka karazam-boly hafa, indrindra ireo voly fanondrana. Araka ny fanadihadiana, nihena ny voka-bary manerana ny Nosy tato anatin’ny folo taona farany. Ny amin’ny kaominina sasany, tsy niova ny fambolena saingy nihena ny vokatra, indrindra momba ireo voly indostrialy, toy ny tsaramaso, katsaka. Tamin’ny taona 2000, nanana anjara toerana lehibe ny voly vary. Hita amin’ny 3 /4 ny kaominina manerana ny Nosy izany. Tsy izany intsony ny zava-misy amin’ny faritra ankehitriny. Eto Antananarivo sy ny manodidina, Alasora, saika tototra avokoa ny tanimbary fambolem-bary rehetra. Izay lasa nanorenana trano daholo ny ankamaroany. Any afovoany andrefana sy afovoany Atsinanana ary Menabe. Mbola mitazona ny laharana voalohany ny voly vary eo amin’ny fambolena. 50 % amin’izany no be mpitrandraka sady voly anaty rano.
Fidiram-bola ho an’ny tokantrano
45 % amin’ny kaominina eto Madagasikara miankina amin’ny voly vary. Loharanom-bolan’ny rehetra ny vary. Mivaro-bary amin’ny fotoana fijinjana ny ankamaroan’ny tokantrano any ambanivohitra. Saingy miverina mividy vary indray rehefa tonga ny maitsoahitra.Tsy niova ny voly fototra tato anatin’ny folo taona farany tamina kaominina 74 %. Maro anisa amin’izany, ny voly vary. Nihena kosa ny vokatra amin’ny ankapobeny. Kaominina 153 any Sava sy Analanjirofo, misolo voly fanondrana ny voly vary. Tsy mampazoto ny tantsaha intsony ankehitriny, raha oharina amin’ny lavanila sy ny jirofo. Ireo vokatra ireo no fototry ny fidiram-bola any an-toerana, anatin’ny 28 %-n’ny kaominina. Tsy niova firy ny vokatra hafa, toy ny eto afovoantany. Toy ny mangahazo sy katsaka… Nanomboka teo, ny endriky ny fahasamihafana teo amin’ny karazam-boly, ny fanarenana fotodrafitrasa maro. Toy ny lakandrano na tohodrano. Ny fanomezan-danja ny voly sy voankazo lafo vidy. Ezahina vokarina ara-pomba indostrialy ireo vokatry ny fambolena sy fiompiana ireo hifanaraka amin’ny fanodinana azy.
Karazam-boly nohatsaraina
Anjakan’ny voly vary anaty rano ny 80%-n’ny tanimbary manerana ny Nosy. 10% ihany ny voly vary fahavaratra. Amina karazam-boly rehetra, 90% ny vokatra dia avy anaty rano. Miankina amin’ny fotodrafitrasa mampiditra rano no mahatsara ny voly. Anisan’ny mampiavaka ny voly vary amin’ny faritra maro ny karazam-boly nohatsaraina miaraka amin’ny teknika. Hita ny voly manana endrika tranainy, ny mitondra endrika vaovao. Ny voly tranainy dia mitana velaran-tany goavana hatrany amin’ny 70%. Raha eo amin’ny 30% no ahitana voly nohavaozina. Eo anelanelan’ny volana avrily sy jona ny fijinjana vary eto Madagasikara. Ireo “vary aloha”, ”vary asara”, na “vary ririnina” eo anelanelan’ny volana janoary sy marsa. 12% ny fitambarany. Any amin’ny faritra roa mpamokatra vary betsaka toa an’i Marovoay. 67% ny “vary jeby” miakatra eo anelanelan’ny jolay sy septembra. Any Alaotra, ny “vary vakiambiaty”, mahatratra 91% eo anelanelan’ny avrily sy jona. Ny mpamboly sasany, afaka mamboly indroa raha tsara karakara ny velaran-tany.
Lanin’ny isan-tokantrano ny ampahany betsaka
Manakaikin’ny 55% ny voka-bary eto Madagasikara dia lany jifain’ny isan-tokantrano. 27% no hamidy. 7,6% ny vary fotsy hamidy. 11% amin’ny vokatra rehetra ihany no tonga any amin’ny faritany. Ny vary “stock” avy any ivelany no mameno ny tsena. 14,5 t/ha, io no tarehimarika ambony indrindra hita any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, tamin’ny fifaninanana nampanaovin’ny minisiteran’ny Fambolena niaraka tamin’ny Jica (Agence japonaise de cooperation internationale). 5t /ha, hita tamin’ny faritra 11. Nivadika 2,45t/ha izany amin’ny ankapobeny ankehitriny.
Tsy tratra ny tanjona
Manan-danja goavana, eo amin’ny harin-karen’i Madagasikara ny 12% amin’ny voly vary. 43% amin’ny harin-karena vokatra avy amin’ny fambolena mivantana. Tsy nitombo afa-tsy 0,4% ny tanimbary manerana ny Nosy, nanomboka ny taona 1974 hatramin’ny 1998. Ny taona 2000 hatramin’izao, nihena ny tanimbary, raha ny eto afovoantany. Sahirana amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ny firenena malagasy, noho ny tsy fahatraran’ny mpamboly ny tanjona. Anton’izany ny faharatsian’ny toetr’andro sy ny hain-tany, ary ny tondra-drano. Tsy azo hodian-tsy hita ny tsy fahampian’ny milina. Manginy fotsiny ny tsy fisian’ny rafitra mandridra ny vidim-bokatra mivantana any amin’ny mpamboly, ohatra.
Nanatonsa:R.Mathieu