Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF), Andriamanampisoa Alfred, ny fanatontosana ilay fikaonandoham-pirenena. Miandry izany ireo mpisehatra amin’ity taranja anisan’ny mankararirary ny Malagasy ity. Mandritra izay no hihainoana ny hetahetan’ny mpilalao sy ny mpanazatra. Vanim-potoana handraisana ny olana isan-tokony, mampikatso ny ligim-paritra sasany. Dinihina ao anatin’izany koa raha ny fanazavana azo avy amin’ny filohan’ny federasiona, nandritra ny fampielezan-keviny, ny amin’ireo kintan’ny baolina kitra fahiny. “Toa zary hadino rehefa tsy miakatra kianja intsony izy ireo, ka ataon’ny olona anjorom-bala hatrany ”, hoy izy tamin’ny fanentanana ny mpifidy nataony.
Anisan’ny goavana amin’ ny fikaonandoha koa ny hisintonana ny mpanohana hiverina ka hampiasa ny volany ao anatin’ny baolina kitra. Marihina fa ho voakasiky ity fiaraha-midinika ity koa ny mpitantana sy ny klioba, loharano ipoiran’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena. Hanana ny anjara toerana ny mpitsara sy ny mpijery, izay tsy mazoto mijery baolina. Anisan’ny teboka iarahan’ny rehetra mijery ny mahakasika ny fotodrafitrasa, izay sakana lehibe tsy mampandroso. Tsy ho hadino ny fifandraisana iraisam-pirenena. Zava-dehibe, araka izany, ilay fikaonandoha satria karazana tondrozotra, hitondrana fampandrosoana ho an’ny baolina kitra, ao anatin’ny efa-taona manaraka.
Tompondaka